<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H. Isaak</author>
<hymn_number>93</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Nampalahelo mafy re
 Ny fahorian-dehibe
 'Zay niaretanao.
 Nalaim-baraka Hianao,
 Niaritra ka tsy nandao
 'Lay asa masinao.

[V2]
 Ny henatra aman-tahotra
 Mangeja anay voavotra,
 Fa diso izahay.
 Avia, Tompo , mamonje
 Meteza izao ka maneke
 Hanavotra indray.

[V3]
 Ampio ny olonao, Jeso
 Hahay handray Anao am-po
 Fa mila vonjy izao.
 Monena hanatanjaka
 Ny ory sy ny reraka,
 Izay manantena Anao.</lyrics>
<title>Nampalahelo mafy re FFPM93</title>
</song>